Asio eritreritra ihany

Nampidirin'i rafahafahana | 26 Jan, 2009

Aty am-pitan-dranomasina aho no mahita ny vaovao mitsitapitapy dia lasa ihany ny saina hoe, dia tsy maintsy ho fanimban-javatra toy izao ve isaky ny manao fitakiana. An'iza moa ny fatiantoka fa ireo mpitondra ireo anie ka efa manan-karena, manana hiafarana fa ireo vahoaka manao ny fitakiana toa matimaty foana, ataon'ny olom-bitsy fitaovana hakana fitondrana dia manao sorona ny aina, mamoy vady aman-janaka.

Ekeko ny fanoherana ny tsy rariny, fa mba asio fisainana ihany fa sao vao maika hiletika anaty lavaka lalina  dia lalina zay vao tena loza miampy loza.